- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAsana mpampianatra : Mihatra aman’aina kanefa tsy mahavelona

Asana mpampianatra : Mihatra aman’aina kanefa tsy mahavelona

Mety hiteny ny rehetra hoe tsy misy asa mora. Saingy azo lazaina fa ity asana mpampianatra ity no tsy mahavelona, sarotra ary mihatra aman’aina indrindra, na dia voalaza aza fa « asa masina ». Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ity zava-nitranga tany Anjozorobe ity sy ny fiaimpiainan’ireo mpampianatra any ambanivohitra lavitra any ? Dia an-tongotra amina kilaometatra maro, mihosona « la craie » sy tata-bava marain-tsy hariva, zary lasa farofin’izao karazan’aretina rehetra izao mihitsy aza. Tontosa am-pitsikiana, an-tsakany sy an-davany foana anefa na izany aza noho ny fanabeazana ny Zaza Malagasy hatrany, izay efa maro no efa tafita noho izy ireny. Misy mijery ve anefa ny mpampianatra raha mitaha amin’ireo sehatr’asa hafa, ireo any amin’ny ambaratonga fototra, faharoa fototra no resahana eto ? Toa tsy misy mpiraharaha firy amin’izao !

Isaorana manokana aloha ny Fanjakana nanome « vola kely » : « subventions », « vacations », sns ho azy ireny, eny fa na dia mbola misy manakepoka eny an-tsefatsefany eny ihany aza, na andrasana aman-taonany vao tonga. Ny sekoly tsy miankina indray dia manao izay danin’ny kibony amin’ny karaman’ireo mpampianatra ao aminy. Tsy vitsy ireo mbola mikarama vary masaka, ambany lavitra mihoatry ny efa voafaritry ny mari-karama ambany indrindra. Eny fa na dia manana mari-pahaizana ambony sy traik’efa aman-taonany maro amin’ny sehatry ny fampianarana aza. Firifiry amin’ireo mpampianatra no azo lazaina fa tafita amin’ny fiainana sy manana ny ampy, mahafeno ny isam-bolany sy tsy hidiran-trosa ? Firifiry ireo afaka miaina milamina amin’ny fisotroan-dronony sy ny fahanterany ? Azo isaina amin’ny ratsan-tanana angamba ! Ankoatr’ireo izay mahay misolelaka sy mahitahita ary ireo be bizina moa mazava ho azy. Very hasina tanteraka …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici