Vetivety dia nahita izay nampiasa tambajotra sosialy. Vehivavy niady ary nifampisitom-bolo no hitan’ny olona amin’ny andro antoandrobe nanahary, omaly. Rehefa nozohina ny raharaha dia tratran’ny tompom-bady nampirafy ny rangahiny. Teo am-pangalàna vola teo amin’ny banky iray no tratra. Ilay vehivavy aloha no niadivan-dramatoa voalohany ary nifampikasi-tànana mihitsy. Ny olona no nanasaraka. Niala avy hatrany ilay heverina ho mpangala-bady teo. Nifatratra tany amin-drangahy indray ny rihitra nony avy eo. Nodarohan’ilay ramatoa vadiny ary saika tsy afaka niala teo an-toerana tamin’ny moto nentiny raha tsy ny mpiambina ilay banky no nandamina. Sady nivazavaza ramatoa fa volany avokoa no mbola miasa amin’ny tokantranon’izy roa no koa tsy nandrara mihitsy ny olona mba haka sary azy an-telefaonina noho ny hasosorona be loatra. Niala tsimoramora ny olona rehefa lasa ilay rangahy.
D.R