Ny harivan’ny alahady 16 jona teo izay fotoana somary naharatsy ny andro ka niteraka rivotra sy orana, dia zazalahy iray eo amin’ny 05 taona teo no main’ny herinaratra tamin’ity toeram-pilalaovana « Auto-Tamponneuse », teo akaikin’ny lapan’ny tanana. Niaraka tamin’ny zokiny ity zazalahy kely main’ny herinaratra ity nandritra izany, ka ny fahitan’ny zokiny azy nihindritsindritra tao anatin’ilay fiara kely no nanaitra azy. Niezaka nisintona azy ny zokiny noho ny fahatsapany fa herinaratra tamin’ny fiara kely mifandondona no nahavoa ny zandriny, ka teo am-pisintonana azy iny izy dia niara-nipitika izy roa lahy. Tsy nahatsiaro tena ity zazalahy 05 taona taorian’izay ary nentina haingana teny amin’ny hopitaliben’i Toamasina notsaboina. Avotra soamantsara ny ainy, tsy nisy fiantraikany tamin’ny fony sy ny ati-dohany koa ilay herinaratra, fa ny retsika amin’ny fihetsehana amin’ny vatan’ilay zazalahy no nisy voan’ilay herinaratra izay miteraka fahalemena amin’ny vatany ankehitriny. Mitaraina noho ny tsy fandraisana andraikitra an’ilay tompon’ny « Auto-Tamponneuse » ny fianakavian’ity zazalahy main’ny herinaratra ity, na ny fitondrana ilay zaza teny amin’ny hopitaly, na ireo fanafody marobe tsy maintsy novidiana, na ny famangiana fotsiny ihany aza, tsy mba nataon’izy ireo akory hatramin’izao. Efa nandray ny fepetra mikasika ity toeram-pilalaovana eo anoloany ity ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny prefektiora, ka efa nasaina niala avokoa izy ireo amin’izao ; izy ireo izay efa nipetraka teo amin’ity toerana manoloana ny lapan’ny tanana ity hatramin’ny fialan-tsasatry ny paska lasa teo. Raha ny angom-baovao anefa dia io fialan-tsasatry ny paska io ihany no fotoana tokony nijanonan’izy ireo teo, fa noho ny kolikoly nataon’ny tompony tamin’ny ekipan’ny ben’ny tanana naato dia izy ireo nitohy sy lasa tompon-toerana teo anoloan’ny lapan’ny tananan’i Toamasina io.
Malala Didier