- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindratombo : Pôlisy, mpamily ary resevera, nadoboka am-ponja noho ny resaka...

Ankadindratombo : Pôlisy, mpamily ary resevera, nadoboka am-ponja noho ny resaka kolikoly

Mbola ao ihany ireo zatra ny lalan-dririnina ! Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra. Mpamily taxibe iray niaraka tamin’ny mpanampy azy no nadoboka am-ponja rehefa tratra nanome vola ny pôlisy iray teny amin’iny faritra Ankadindratombo ity. Mazava ho azy, tsy afa-bela ihany koa ity farany ary dia tafaraka eny Antanimora ry zareo.

Ny alahady teo no niseho ny tantara araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena. Nanao fahadisoana ity taxi-be mindrana iny lalana eny Ankadindratombo iny ka voatery nanakana sy nanajanona azy ny pôlisy iray teny an-toerana. Nisava ny antontan-taratasin’ny fiara ity farany ary voatery nisintona izany. Amin’ny toe-javatra toy itony dia mody mandeha miala kely amin’ny metatra vitsivitsy eo ihany ilay fiara mpitatitra. Niverina nanatona ilay pôlisy nanakana azy ireo ny mpamily sy ny mpanampy azy ary nanomboka teo ny « fifandaminana ». Efa nisy vola voamana tany an-tanan’Ingahy mpamily ka natolotra rehefa hita ny marimaritra iraisana. Ho tambin’izany koa dia nomen’Ingahy mpitandro filaminana ilay antontan-taratasy nosintomina teo. Marihana fa tsy mba any amin’ny takotakona akory izany toe-javatra izany fa dia eo imason’ny olon-drehetra eo. Nihevitra izy ireo, araka izany, fa mandeha ho azy toy ny fanao mahazatra izany lalan-dririnina izany ka samy tsy nisy taitra. Tsy nampoizin’ireto farany ny fisian’ny olona nitazana azy ireo soa aman-tsara sy nanara-maso ny zavatra rehetra nataon’izy ireo. Pôlisy avy ao amin’ny IGPN io, na ny pôlisin’ny pôlisy. Tsy niandry ela fa fotoana vitsy taorian’izay dia nampanantsoina izy telo lahy mpanao kolikoly. Notanana natao andrimaso sy nanaovana fanadihadiana avy hatrany. Omaly, zoma izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Anatra ho an’ny hafa e ! Sa moa hoe ny tanana efa zatra mitsotra tsy mety mivokona intsony, ka izay sahy maty ihany no mifono lambamena ? ‘Ndao ary moa koa !

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici