- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMandrosoa : Taxi-be tapaka « frein » nadona tamina tranon’olona

Mandrosoa : Taxi-be tapaka « frein » nadona tamina tranon’olona

Omaly maraina tokony ho tany amin’ny 10 ora, tapaka “frein” ny taxi-be iray teny Mandrosoa amin’ny lalana hidina ho any Ambohijatovo. Vokany, nahasimbana ilay fiara Mazda ary naratra ny mpamily sy ny mpandray vola. Ireo olona tao anatiny kosa, ny tahotra no be. Ny voavao voaray hatrany no ilazana fa raha vao fantatr’ilay mpamily fa nisy ny fahasimbana dia nampanenoiny ny fanairana tao aminy. Izany dia hampitandremana ireo mpandalo marobe amin’iny lalana iny. Rehefa hitany fa tsy nisy olona intsony ny sisin-dalana dia nadonany teo amin’ny tandrifin’ny varavaran’olona ny fiara. Tsy voadona ilay varavarana fa ny tamboho kely no potika. Anisan’ny lalana tsy dia azo andehanana mafy iny hidina any Ambohijatovo iny. Misy ireny dongona famerana ny hafainganam-pandeha ireny mantsy eny. Fa rehefa ho avy ny tsy fetezana amin’ny fiara dia tsy azo ialana hatrany ny loza.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser