Tranga hafa kely tsy fahita firy izay nahavalalanina ny maro nahita no niseho tany Sakaraha, omaly nisandratra andro, tokony ho tamin’ny 10 ora latsaka folo teo. Tovolahy iray sahabo 20 taona eo, tratra nangalatra dokotra, no niharan’ny fitsaram-bahoaka. Rehefa avy nodarohina sy niharan’ny vono ity mpangalatra, dia nasaina nohaniny manta teo ho eo ilay vorona efa maty. Tsy navelan’ny olona raha tsy lany tanteraka hatramin’ny volony ilay dokotra. Taorian’izay vao nalefa nandeha ity tovolahy, ary nihoaka nandoa eraky ny lalana izay nolalovany. Farany, nalemilemy tsy tafatsangana intsony. Raha ny vaovao voaray, dia efa malaza ratsy amin’ny hala-botry sy fainga tanana ity tovolahy mpidoroka rongony izay voalaza fa avy any Ilakaka, monina ao Sakaraha, ity, ary matetika izy no mamerin-keloka, ka nofaizin’ny olona mafy tamin’ity indray mitoraka ity. Tanora matanjaka io ve, hoy ny olona, dia mangalatra no atao fototr’asa. « Maninona no tsy mamboly na mikarama miarak’andro raha te-hanam-bola hividianana jamala ».
Eric Manitrisa