- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Tratran’ ny FIP ireo andian-jiolahy mpanendaka sy...

Tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Tratran’ ny FIP ireo andian-jiolahy mpanendaka sy mpangalatra Tuc-Tuc

Andiana mpanendaka sy mpangalatra Tuc-Tuc dimy lahy dia i Jean Michel na “Rasta” 24 taona – Marinot 18 taona – Jean 19 taona – Gillot 18 taona – ary Cerlin 24 taona, no saron’ny FIP ny talata alina nifoha ny alarobia teo. Mbola tratra tamin’izy ireo ireo fitaovana fampiasany  amin’ny famakiana trano sy ny sabatra fampiasany  nandritra izany. Avy hatrany dia niaiky ny heloka vitany izy dimy lahy, indrindra momba ilay fanendahana mpamily Tuc-Tuc, ny alatsinainy alina teo. Raha ny fanazavan’ilay mpamily Tuc-Tuc tratra ny fanendahana, izay nohamafisin’ny FIP nanao ny fisamborana, fa ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny 11ora teo dia nandalo teo akaikin’ny bazary may misy ny tranom-pandihizana Paradise Ankirihiry ity mpamily Tuc-Tuc ity. Nanao mody mamo ireo tovolahy telo ka avy hatrany dia niezaka ny niditra tao anatin’ilay Tuc-Tuc nandritra izy somary nandeha mora iny. Tonga dia nokendain’izy telo lahy anefa ilay mpamily ka noteren’izy ireo niditra ny làlana izay nihazo ny sekoly Prospéré Andranomadio ny naleha. Vao tonga teo amin’ity sekoly ity izay sady mangina no maizina dia nendahan’izy ireo ilay mpamily Tuc-tuc, ka raha azon’izy ireo ny vola 60.000 ariary teo dia nofirainy ireo  sabatra ny tongotr’ ilay mpamily, izay mbola noteren’izy ireo hatrany nanatitra azy  indray ilay Tuc-Tuc. Nivadika anefa ilay Tuc-Tuc raha nahazo lavaka tamina tetezana kely amin’ity lalam-baovao Andranomadio ity, ka nitsoaka ireto mpanendaka sy mpangalatra Tuc-Tuc ireto raha mbola niezaka nanala tena voatsindrin’ilay Tuc-Tuc tao ilay mpamily. Ity tranga ity izao no  fahatelo niseho tamin’ireo mpamily Tuc-Tuc ny volana jona ity.Ireo roa voalohany kosa dia saika maty sy nanjavona avokoa ny Tuc-Tuc nentin’izy ireo hatramin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici