- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Nivadika ny fiara nitondra ny tarika Lico Kininike

Ambositra : Nivadika ny fiara nitondra ny tarika Lico Kininike

Nisy  lozam-pifamoivoizana indray tamin’ny RN7 mampitohy an’ Antananarivo sy Toliara, ny narain’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka kely, tao Tsaratsaotra Distrikan’ Ambositra. Vokatry ny fandehanana mafy, dia fiara « Sprinter » iray, izay nitondra ny tarika Lico Kininike (zanaky Rasoa Kininike) sy ny mpandihiny hihazo an’ i Toliara hanao fampisehoana any an-toerana, no nivadika ambony ambany tao anaty fiolahana, ka isan’ireo naratra i Tombo Anjara ; izay mpitendry « clavier »-n’ny tarika. Raha ny vaovao voaray, dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy ireo naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Izao trangan-javatra izao, dia mampitamberina an-tsaina sahady ny nanjo ny tarika Rasoa Kininike, izay tsy mbola sitrana ny ferin’ny mpankafy maro hatramin’izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici