Nentina haingana tao amin’ny hopitaly Hjra izy ireo mba hitsaboana azy. Omaly tolakandro nandritra ny fanazaran-tena faramparany ho an’ireo mpilatsaka amin’ny elon’aina no nitranga ny loza. Tsy mbola nisy ny fanazavana ofisialy momba izay mety ho antony. Na izany aza, dia re fa nifandona teny ambony teny ireo miaramila telo. Azo heverina fa nifanakaiky loatra ny elanelana teo amin’izy ireo ary nifandona tsy nahy. Nisy akony anefa izany tamin’ny fitsambikininana narahina sidina izay natao, indrindra koa tamin’ny filatsahana amin’ny tany. Ny roa no tena voa mafy ary voatery nanafarana « ambulance » maika mba hanavotana azy ireo ao anatin’ny fotoana fohy. Marobe ny fanontaniana izay napetraky ny olona mahakasika ity loza ity, indrindra koa nisy nanaparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny zava-nisy. Moa ve mbola mifanaraka amin’ny toetr’andro ny fitaovana ampiasaina ? Aiza ho aiza ny kalitaon’ny fampiofanana ? Raha ny zava-misy tokoa mantsy, dia isan’ny Tafika tsy manana fiaramanidina ny antsika. Raha tsy misy ary io fitaovana io, inona izany no hitondra ireo mpilatsaka amin’ny elon’aina eny ambony eny ? Mazava hoazy, ankoatr’izay ezaka kely hatao rehefa akaiky ny matso ka mety hanofana fiaramanidina ary hamoahana indray ny « parachute » izay efa tsara pirina. Mila jeren’ny mpitondra akaiky.
D.R