Renim-pianakaviana iray metisy karana manodidina ny 40 taona eo, voarohirohy tamin’ny fanafihana tranombarotra karana lehibe iray tao an-tampon-tanànan’ Antsiranana no naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’ Antsiranana, ny zoma teo, rehefa avy natolotra ny Fampanoavana. Raha ny vaovao voaray, dia voampanga ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy nitam-piadiana nandroba sy nanafika ity toeram-pivarotana lehibe ity, tamin’ny volana mey lasa teo, ity vehivavy, raha mbola karohina fatratra kosa ireo jiolahy namany tafaporitsaka.
Eric Manitrisa