- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Cybercriminalité » : Tovolahy iray MD fa nanala baraka minisitra

« Cybercriminalité » : Tovolahy iray MD fa nanala baraka minisitra

Omaly no niakatra fitsaràna ny raharaha. Notorian’ny minisiteran’ny indostria ny tovolahy iray noho ny fampiasany tambajotra sosialy. Facebook no resaka eto ary voarohirohy izy ho nanala baraka ny minisitra ho mpanao bizina vy. Ny minisitra sy ny minisitera izay notantaniny no indray nitory manoloana ny zava-nitranga. Tamin’ny fiarovan-tenany dia nanazava ilay tovolahy fa natakalony ilay finday izay nampiasainy amin’ny fanaovana aterineto. Rehefa izany dia tsy vitany ny nanidy ny kaontiny izay nolazainy izany fa lasa nampiasain’ny olon-kafa. « T4 aho no niala nianatra ary tsy fantatro akory na ny minisitra izay voalaza aza », raha araka ny heno nandritra ny fotoam-pitsaràna ady heloka tsotra omaly. Tonga tao koa ny solontenan’ny minisitera izay voakasika ary nangataka ny hanalàna ilay fanehoan-kevitra nataon’ilay tovolahy ary koa irambilanja (un franc symbolique) ho solon’ny onitra. Raha adika tsotra dia tsy nitady zavatra sarotra be ny minisitera ankoatra famaizana kely ilay tovolahy izay efa nidoboka am-ponja rahateo tao anatin’ny andro maromaro. Izy ity dia nokarohin’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny alàlan’ny kaontiny sy ny namana itovizany tamin’ny mpanao fanadihadiana. Ny namany no nahafantarana ny momba azy sy izay misy azy ary dia natao ny fisamborana. Ny sariny mivantana no tao anatin’ny facebook ary teo koa no somary nampiahiahy ny amin’ny hoe tena izy tokoa ve no tompon’antoka. Ny soratra nataony rahateo dia tsy mifanaraka amin’ny lentan’ny olona izay teo amin’ny kilasy fahefatra no nijanona nianatra. Mpivarotra mofomamy no asany amin’ny andavanandro ary mpaka vilona talohan’izay. Nilaza fa mbola tsy nikirakira solosaina mihitsy izy tamin’ny fiainany. Betsaka tamin’izay nanatrika ny fitsaràna no nanontany tena hoe inona izany no mety olan’ilay tovolahy amin’ny minisitra ? Amin’ny alakamisy ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsaràna momba ity raharaha ity. Misesy ny fitoriana noho ny fanalam-baràka amin’ny tambajotran-tserasera. Saika nidoboka am-ponja avokoa izay voasambotra. Mbola betsaka no tsy tonga saina fa entim-po fotsiny rehefa mampiasa ireny fitaovana ireny ary rehefa eo anoloan’ny hazomeloka vao manenina tanteraka.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

5 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici