Raha ny loharanom-baovao voaray tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia misy ankizivavy roa 10 taona antsoina hoe Rodiqua sy 13 taona (Brunelle) izay avy any Fianarantsoa, ao amin’ny biraon’ny Polisy Mananjary. Rehefa nanontaniana ireto zaza dia nilaza fa tsy mahafantatra ny anaran’ny Ray aman-dreniny, ary nilaza izy ireo fa avy any Ranotsara Ihosy, fa nipetraka tamin’olona tao Fianarantsoa.
Ankizivavy roa indray no very tsy hita popoka nanomboka ny narain’ny zoma teo, tao Ambohibory, fokontany Soatsihadino, tampon-tanànan’i Fianarantsoa. Raha ny fanamarinam-baovao azo avy any an-toerana, dia zanak’olona roa mpifanila vodirindrina ireto tovovavy kely najavona, dia Rafanomezantsoa Tiavinjanahary Angela antsoina hoe Pitsana, 10 taona (miakanjo fotsy amin’ny sary), mpianatra 8ème ao amin’ny EPP Antaninarenina Fianarantsoa. Raha ny nambaran-dRtoa Julie (renin’i Pitsana), izay mpivarotra saribao, dia nirahina nahandro sakafo ity zanany ny zoma naraina teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Ary taorian’izay i Angela no najavona.
Zaza maditra. Raminosoa Hortence antsoina hoe Ramino (miakanjo orange amin’ny sary), 13 taona izay tsy mianatra intsony no tovovavy faharoa najavona. Raha ny filazan-dreniny (Rtoa Lalanelina Célestine), dia avy any Ranotsara, distrikan’Ihosy izy ireo, ary telo volana sy tapany no nonina tao Fianaratsoa. « Nisotro kafe vao maraina ny tao an-trano, ary Ramino tamin’io fotoana io nisolo akanjo tao an’efitra. Gaga anefa izahay, fa tsy tao an-trano intsony izy rehefa nantsoina, ka rehefa nanontaniana ny teo amin’ny manodidina dia nilaza fa nahita ny zanako nivoaka ny trano nibaby sakaosy niaraka tamin’i Pitsana. » Iangaviana izay mahita na mahafantatra an’i Angela sy Hortence mba hampandre haingana ny manam-pahefana akaiky azy indrindra, na hiantso ny laharana 034 03 495 43 (Mr Théo) ; 034 58 778 45 (Mme Julie).
Eric Manitrisa