Fimenomenomana ny an’ireo fianakaviana nitondra an-janany nijery afomanga izay napoaka teny amoron-dranomasina ny talata 25 jona hariva teo, satria tsy nisy afa-tsy 15mn monja ny afomanga anjaran’i Toamasina tamin’ity taona ity, raha nahatratra adiny iray izany teo aloha sy hatramin’izay. Maro tamin’ireo fianakaviana no raikitra tao anatin’ny fitohanan-dalana lava be teto Toamasina ny harivan’ny talata, ka raha tonga teny amoron-dranomasina hijery afomanga dia efa tapitra izany. Taorian’ny afomanga dia natomboka avy hatrany ny « bal populaire » izay efa fanao isan-taona eto Toamasina, ka ireo mpanankanto avy eto Toamasina zokiny sy ireo tanora ihany no nanafana izany, teny amoron-dranomasina ihany no nanaovana azy.
Raha maina ny fanapoahana ny afomanga ny talata dia orana kosa no nitsena iray mpanao matso teto Toamasina omaly, ka nandritra ny fandraisana anjaran’ireo mpianatra sy ny fikambanana samihafa ary ireo antoko politika isan-karazany no tena niseho izany orana izany. Niisa 232 ireo andian-tafika sy ireo mpitandro ny filaminana nandray anjara tamin’ny matso, izay nahitana ny tafika, ny zandary, ny polisy, ary ireo mpandraharaha ny fonja. Nahatratra 3080 kosa ireo mpianatra nandray anjara avy amin’ny sekoly miisa 77 teto Toamasina, nisy fihenana betsaka tamin’ity taona ity ny fandraisan’anjaran’izy ireo satria nahena ho mpianatra 40 isaky ny sekoly ny afaka mandray anjara tamin’izany.
Ankoatra izany dia mbola nampiseho ny fisiany sy ny fandraisany andraikitra eo amin’ny firenena ihany koa ireo antoko politika matanjaka eto amintsika sy eto Toamasina nandritra ny matso omaly. Isan’ny nandray anjara tamin’izany ny Tanora Gasy Vonona (TGV) sy ireo mpiara-dia aminy ao anaty fikambanana samihafa, ny Tiako I Madagasikara (TIM), ny Fikambanana Malagasy Mandroso (FIMAMI, ny GASY Mivoatra (GasyMi), ny Malagasy Tonga Saina (MTS),…ary ny Gasikara Antsika Rehetra (GAR).
Malala Didier