- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Resaka tsipoapoaka Nohafahan’ny mpitsara ilay ramatoa bevohoka nomena MD

Toamasina : Resaka tsipoapoaka Nohafahan’ny mpitsara ilay ramatoa bevohoka nomena MD

Nampisy resa-be teo amin’ny tontolom-piarahamonina sy ny fitsatana teto Toamasina, momba ilay ramatoa bevohoka niharitra nanapoahana tsipoapoaka nataon’ny zanaka mpitsara nahiditra fonja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo.

Natao ny alatsinainy tolakandro teo ny fitsarana ny raharaha, ka nandritra ny fitsarana dia nihaino sy nandinika tsara ny antotan-taratasy teo am-pelatanany ny mpitsara nisahana izany, ka nohafahany ilay ramatoa bevohoka nambara fa nidaroka zanaka mpitsara tamin’izao raharaha tsipoapoaka izao. “Hay mbola tena misy mpitsara mahay ny asany sy mihaino ny madinika ihany eto Toamasina, ka afaka mitsara amin’ny alalan’ny fahamarinana sy ny lalana marina”, hoy ny fianakavian’ity vehivavy bevohoka notsaraina ity. Ny alatsinainy ihany taorian’ny fikarakarana ny taratasy namoaka azy am-ponja dia nody tany an-tranony ilay ramatoa bevohoka, ka afaka nanao fetim-pirenena am-pilaminana, raha nihevitra ny hanaovana ny fitsarana ny raharaha ny taona ho avy ilay ramatoa mpitsara milaza fa voadaroka zanaka mpanapoaka tsipoapoaka an-tokotanin’olona ity.

Tsy misy rohirohy ny tohin’ny raharaha satria olana ara-piarahamonina ny zava-nisy, hoy ny fianakavian’ilay ramatoa nofonjaina vonjimaika ity, satria na teo aza ny olana dia mpiara-milalao hatrany ny zanak’izy ireo sy ilay zanaka mpitsara mpitory izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici