- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Nadoboka eny Tsiafahy ireo namono ireo telo lahy mpanao...

Sabotsy Namehana : Nadoboka eny Tsiafahy ireo namono ireo telo lahy mpanao biriky

Fianakaviana iray izy ireo ary samy mpanao biriky avokoa. Vao avy nandray ny tambinkaramany ireto olona ireto ny alahady teo no nisy nanafika. Tsy vitan’ny nananafika fotsiny anefa ireo olon-dratsy, fa notaperina mihitsy ny ain’ny telo tamin’ireto fianakaviana ireo, iray kosa afa-nandositra. Efa nisy ny voasambotra tamin’ireo nahavanon-doza.

Tao  Andavaka Mahitsikely,  fokontany Ambohidrano Andrefana ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana no nitrangan’ity rà mandriaka ity ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary nandray an-tanana ny raharaha, dia vao nandray ny tambin-karamany tamin’ny fanaovana biriky ireto fianakaviana ireto, izay nitentina teo amin’ny efatra hetsy ariary teo. Ny harivan’io anefa, dia nisy andian’olona teo amin’ny enina teo no tonga nanafika ny tokantranon’izy ireo. Vokany, olona telo no maty : nampijalijaliana avy eo novonoina, ary iray kosa no naratra mafy. Mazava ho azy, fa very ihany koa ilay vola azon’izy ireo. Nisy avy hatrany teo ny fanadihadiana niarahan’ny Sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandary sy ny borigadin’ny Sabotsy Namehana. Nahitàm-bokany izany andro vitsy taty aoriana satria, dia fantatra fa nisy olona dimy nosamborina, izay azo heverina tanteraka fa tompon’antoka tamin’ilay fanafihana mahatsiravina. « Nahitàna porofo mivaingana tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny famonoana ireo olona telo izy ireo, izay marihana ny iray tamin’izy ireo dia efa olona nahavita heloka bevava mitovitovy tamin’ity nitranga ity ihany tany amin’iny faritra Tsiroanomandidy iny » hoy ny fanampim-panazavana azo tamin’ny zandary. Omaly moa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy ireo, nohenoin’ireo mpitsara mpanao famotorana. Nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy moa ireto mpamono olona ireto miandry ny fotoam-pitsaràna azy

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici