Niakatra teny amin’ny fampanoavana omaly ny raharaha. Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy rehefa notorian’ny olona noho ny fisandohana andraikitra sy ny fisolokiana. Nilaza ho mpanolotsain’ny Filoha ary tsy vitan’izay ihany fa mbola nanonona ho akaiky ny Praiminisitra koa aza. Izany lainga izany no nahafahany nandresy lahatra ny vehivavy iray ka nahazoany volabe. Izy ireo dia mpiserasera tamin’ny tambajotra sosialy facebook no niantombohany. Nihatsara ny fifandraisana ary hain’ilay lehilahy rahateo ny nandresy lahatra avy amin’ny filazàna izao antsanga tsy aman’orana rehetra izao. Isan’izany ny hoe mahavita mamoaka fiara ao amin’ny ladoany, mpitarika hira ao am-piangonana sy ny sisa rehetra. Nisy vola izay nindraminy tamin’ny mpifanerasera taminy ary dia tena azony tokoa, raha araka ny fanazavan’ny mpitory. Vao azo anefa izay dia nijanona tampoka ny fifandraisana. Nokarohina ny anao lahy ka tsy hita intsony, na tamin’ny facebook izay nifandraisana aza. Rehefa izany dia tapa-kevitra ny nitondra ny raharaha teny amin’ny mpitandro ny filaminana ilay nahatsiaro tena ho voasoloky, volabe rahateo ny very taminy. Raha ny fantatra dia mipetraka any an-dafy ity ramatoa mpitory ity. Sarona ihany ny mpisoloky ary niaiky fa naka volan’olona na dia nitory koa aza ny tenany. Fomban’ny efa mpanao azy ihany ny mitory rehefa toriana, mba entina hanataràna ny fandehan’ny raharaham-pitsaràna. Niakatra omaly ny raharaha ary eny Tsiafahy izy no miandry ny fotoam-pitsaràna izay hotontosaina amin’ny tapaky ny volana aogositra. Betsaka ny olona mbola mora roboka ary manome vola rehefa maheno fa olona akaiky ny olona ambony no miresaka aminy. Raha ny marina, izany mpanolotsaina izany dia olona tsy mipoipoitra ary miasa mangina. Eo koa no mora hamantarana ny mpisoloky, rehefa izy no mieboebo dia tokony efa mora fantatra izay fa olon-dratsy…
D.R