- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversHolafitry ny vadintany malagasy : Miampy 11 ireo vandintany miasa eto Toamasina

Holafitry ny vadintany malagasy : Miampy 11 ireo vandintany miasa eto Toamasina

Ny zoma misandratr’andro teo no nanao fihaniana teo anivon’ny mpitsara ny fitsarana ambony teto Toamasina, ireo vadintany 11 mirahalahy vao afa-panadinana ny volana novambra ny taona lasa. Tamin’ny naha-tsy teto ann-toerana ny tonia mpampanoa lalana ambony sy ny filoha voalohany ny fitsarana ambony, dia ny “substitute general” sy ny mpitsara eo anivon’ny “chambre” teo anivon’ny fitsarana ambony no nandray ny fihanianan’izy ireo.

Ny iray ny Me Mandimby Harisandratra araka ny didimpitondrana navoakan’ny :minisitry ny fitsarana laharana 8686/2019 ny 21 aprily teo, no avy hatrany dia mandray ny asany ao Soanierana Ivongo eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenerivo atsinanana. Ireo 10 lahy ambony kosa araka ny didimpitondrana laharana 8687/2019 ny 25 aprily 2019, dia mbola manao fanazaran’asa eo anivon’ireo vadintany matihanina eto Toamasina mandritra ny roa taona, vao mandray ny asany amin’ireo fari-piadidian’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenerivo atsinanana, Maroantsetra, Toamasina I, ary Vatomandry indray. Nandritra ny fandraisana ny fihanihan’ireto vadintany vaovao ireto no nilazan’ny mpitsara teto Toamasina, fa isan’ny mahatonga ny fisian’ny tany tan-dalana ny asan’ireo vadintany amin’ny izy ireo mpanantontosa ny didim-pitsarana mivoaka eny amin’ny fiaraha-monina. Ny fitoraham-bato sy fanopana ary ny fanidina varavarana azy ireny dia midika fanoheram-panjakana sy ny fitsarana ary fikomiana. Nomarihan’ireo mpitsarana sy ireo vadintany fa tsy miady amin’ny vahoaka, na mpiady eny amin’ny fitsarana ny vadintany amina raharaham-pitsarana, fa mpanatanteraka izay didy mivoaka no asany ho fanajana ny tany tan-dalana eto amintsika.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici