Tsy afaka nankalaza ny tsingerin-taona nijoroany feno herin-taona ny sabotsy teo ny fikambanana “MIRAMA” na “Miaro ny Rariny sy ny Marina” eto Toamasina. Notsipahan’ny prefektioran’i Toamasina ny fangatahana nataon’ny fikambanana, izay saika hanao “carnaval” hitety fokontany sy ny rindran-kira saika niarahana tamin’ny mpanan-kanto DIN Rotsaka. Voalaza fa resaka filaminam-bahoaka no antony, nefa raha ny hita dia resaka politika no tena antony, satria adversera akaikin’ny birao politikan’ny IRD eto Toamasina ny mpitarika ity fikambanana ity, ny Me Tody Arnaud. Raha ny fanazavan’ny mpikamban’ny Mirama anefa dia resaka sosialy sy fety rano fotsiny no nokasain’izy ireo atao, fa tsy misy idiran’ny politika mihitsy, saingy tahotra fotsiny ny an’ny fanjakana ka namoaka fandrarana. Tsy ny fikambanana Mirama ihany anefa no efa nanao fangatahana hankalazana ny tsingerin-taonany toy izao teto Toamasina; saingy ity fikambanana ity sy ny Tim ihany no voararan’ny fanjakana tsy nahazo nanao izany. Ny ambiny rehetra anefa ny Mapar, ny Ird, ny Fimami, ny Arema, sy ny maro hafa dia saika nahazo alàlana avokoa nanao izany. Ho an’ny mpikamban’ny Mirama, dia tsy hahakivy azy ireo ny tsy fanajana ny demokrasia izao, fa mitohy hatrany ny asan’izy ireo sy ny tolona; na ho ela na ho haingana dia afaka hankalaza izany ihany izy ireo ho fahafaham-pon’ny mpikambana sy ny vahoakan’i Toamasina.
Malala Didier