- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFandrarana ny fetiben’ny « MIRAMA » : Namoaka ny heviny ny prefen’i...

Fandrarana ny fetiben’ny « MIRAMA » : Namoaka ny heviny ny prefen’i Toamasina

Niteraka fanehoan-kevitra maro ny fanakanana ny hetsika fahaherintaonan’ny fikambanana Miaro ny Rariny sy ny Marina, “MIRAMA”, eto Toamasina izay tokony ho efa natomboka ny sabotsy teo ary hifaranana amin’ny ridrankira goavana ny sabotsy ho avy izao. Tsy ity fikambanana ity irery mantsy no nanamarika izany tsingerintaonany izany.

Naneho ny heviny momba ity raharaha ity anefa ny prefektioran’i Toamasina tamin’ny alalan’ny prefe Benandrasana Cyrille, fa tsy ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny fikambanana no nosakanan’ny fanjakana, fa ny fanaovana ny “carnaval” niainga teo amin’ny “stadium” Managarano hatreny amoron-dranomasina, izay natahorana hiretaka sakoroka noho ny olan’ny Ird sy ny Mirama izay niaraka nanohana ny filoham-pirenena ihany teo aloha, saingy lasa mpifahavalo ankehitriny noho ilay fifidianana solombavambahoaka farany teo, satria lasa mpifaninana. Niaiky ny prefen’i Toamasina fa naharay ny fangatahan’ny fikambanana tokoa ny tenany ny 21 jona teo ary namoaka ilay fandavana ny 28 jona teo fa ilay resaka hetsika an-dalam-be no voalaza araka ny tenin’ny prefe.

Mitohy ny tolona, hoy ny Mirama, ny asa na isan’ny fikambanana politika enjehina aza izy ireo izao. Ny filohan’ity fikambanana ity ihany koa dia isan’ny mpifaninana tamin’ny kadindam-panjakana Ird teto Toamasina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ary isan’ny mpitory sy nitondra porofo ny zava-nisy nandritra ny fifidianana farany teo koa ny tenany teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana izay andrasana anio ny valiny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici