- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Manamboninahitra 17 nomena galona

Zandarimariam-pirenena : Manamboninahitra 17 nomena galona

Tontosa tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, Andrefan’Ambohijanahary ny fametahana galona ho an’ireo zandary 17 nisondrotra grady araka ny didim-panjakana laharana 2019-1290, izay mamaritra ny anaran’ireo manamboninahitra am-perinasa nisondrotra grady. Miisa 17 aloha ireto manamboninahitra zandary ireto ireo no notolorana amin’ny fomba ofisialy izay grady vaovao izay. Marihana fa mbola misy hafa maromaro ihany saingy miandry ny fotoana sy ny daty notondroin’ny didim-panjakana handraisana izay galona izay. Tamin’ireo manambonahitra zandary 17 mirahalahy ireo dia iray ny « Lieutenant-colonel » nampiakarina ho « Colonel ». Fito mirahalahy kosa ireo « Chef d’escadron » nahazo ny galonana « Lieutenant-colonel » ary miisa sivy ireo nahazo ny gradina « Chef d’escadron ». Lanonana ara-miaramila izay notarihan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jly Ravalomanana Richard, ary notronin’ireo manamboninahitra jeneraly, tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimarim-pirenena. Nandritra ny lahateniny, ny Jly Ravalomanana, dia tsy nitsahatra namerimberina ny tokony haha-modely halain-tahaka ny zandary fa tsy ho fanetriben’ny firenena indray sanatria. Nohamafisiny ihany koa fa raha mbola izy no eo dia tsy hanaiky velively ny fihoaram-pefy ataon’ny zandary izy. « Tsy azo ekena hatao toerana fieren-jiolahy ny zandary», hoy izy. Nitsodrano ireo manamboninahitra nahazo galona vaovao ireto ny tenany ary nirary azy ireo hahaleo hahalasana amin’ny andraikitra vaovao nanankinana amin’izy ireo. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo maivana ny lanonana, izay niharan’ireo zandary nahazo galona vaovao, izay nombam-bady aman-janaka avy, niaraka tamin’ireo manambonahitra hafa nasaina tamin’izao lanonana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici