- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMinisitera ny serasera teto Toamasina : Nanao fakan-kevitra ho fanitsiana ny lalàna...

Minisitera ny serasera teto Toamasina : Nanao fakan-kevitra ho fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera

Tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana no natao ny fihaonan’ireo tompon’andraikitry ny serasera sy ireo mpanao gazety ary ireo mpiasan’ny haino aman-jery teto Toamasina, izay niaraka tamin’ny ekipan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Ny fakana ny hevitry ny mpiserasera teto Toamasina momba ny fanitsiana ilay lalàna misahana ny serasera Malagasy no natao tamin’izany. Nandritra ny adin’ny roa sy sasany ny fifanakalozan-kevitra izay ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mihintsy no nitarika izany fihaonana sy nitondra fanazavana tamin’izany. Taorian’Antananarivo sy Mahajanga izany dia anjaran’i Toamasina indray no nanaovana ity fakan-kevitra ity omaly alatsinainy, any amin’ny volana aogositra indray ny fihaonana manaraka ho fandrafetana ny rijan-teny farany momba ity lalàna hifehy ny serasera Malagasy ity. nihatrika ny fihaonana tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana ity koa ny prefen’i Toamasina sy ny lehiben’ny faritra atsinanana mpisolo toerana ary ny talen’ny serasera sy ny kolontsaina atsinanana.

Ankoatra izay dia nihaona manokana tamin’ny mpanao gazety ny fanazavana ilay lalàna momba ny harena azo amin’ny tsy rariny farany teo ny minisitry ny serasera. Nitondrany fanazavana avokoa ny pitsopitson’ilay lalàna rehetra nandritra izany, indrindra ny fananganana ilay vaomiera manokana hisahana ny fanagejana ny fananan’ireo voahenjika momba izany harena azo avy amin’ny tsy rariny izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici