- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-Divers« La Réunion kely » : Lehilahy nanaovana angaredona, notrobarana vy ny...

« La Réunion kely » : Lehilahy nanaovana angaredona, notrobarana vy ny masony ary nesorina

Olona efa no fantatra fa nosamborina noho ny resaka fandratrana olona tamin’ny fomba feno habibiana teny amin’iny faritra « Lareunion kely » iny. Natolotra ny fampanoavana izy ireo ary nadoboka am-ponja vonjimaika ny telo, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray.

Raha ny zava-nitranga : ny faramparan’ny volana mey lasa teo dia lehilahy iray no niharan’ny ady tambabe teny Lareunion kely, Ampefiloha. Izay antony aloha dia tsy fantatra mazava loatra hatreto. Vehivavy roa ary lehilahy roa no nifandimby nidaroka ilay lehilahy tamin’izany fotoana izany. Ambonin’ny daroka sy ny vono anefa dia notrobaran’ireo mpamono tamin’ny vy maranitra ny mason’ilay lehilahy havia ary nesorin’izy ireo. Nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa nahavita izany namela ilay naratra teo. Ny olona nahita teny an-toerana no nitranga azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nametraka fitairana teny anivon’ny pôlisy misahana ny ady heloka bevava avy hatrany ity lehilahy naratra taorian’io ary nanomboka teo ny fanadihadiana. Ny faran’ny herinandro teo no nahazoana vokatra ny fanadihadiana natao satria nisy olona efatra tra-tehaky ny pôlisy teny Ampefiloha. « Fantatra fa ny lehilay iray no nitazona sy nandavo ilay lehilahy tamin’ny tany, ny ramatoa iray kosa no nanolotra ilay vy maranitra hanondromana ny masony ary ny lehilahy iray hafa kosa no nanindrona ny mason’ilay tovolahy » hoy ny vaovao azo. Nisy iray kosa « vehivavy iray hafa nosamborina saika hanodraka azy tamin’ny rano mangotraka». Taorian’ny fakàna am-bavany ireto olona efatra ireto dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy ireo, ka ireo nadoboka am-ponja vonjimaika ireo ny telo, izay nandray anjara nivantana tamin’ilay famonoana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici