Namoaka basy raha vao nahita ny polisy izay nanatona azy. Teo no raikitra ny fitifirana izay nahalavo ity jiolahy ity. Azo sambo-belona kosa ny namany iray; izay niara-nitsoaka taminy ary tafaporitsaka ny telo ambiny. Teo Mahavatse no nitranga izany tifitra izany ary tamin’ny andro antoandro, tokony ho tamin’ny folo ora, ny alatsinainy teo. Nisy olona izay nahatadidy ny tarehin’ireo olon-dratsy ary nahafantatra avy hatrany fa jiolahy mpanakan-dàlana eny amin’ny lalam-pirenena fahafito izy ireo. Io no nampandre avy hatrany ny polisy izay misahana ny hery vonjitaitra tao Toliara. Rehefa tonga teo an-toerana, vao teo am-panatonana ireo olona mba hanamarinana ny momba azy ireo, dia efa nivoaka ny basin’ny jiolahy. Raikitra ny tifitra izay nitarika ny fahafatesan’ny iray. Vao nahita izany kosa ny namany iray, dia tsy sahy nandositra intsony ary nitolo-tena ary mazava hoazy fa azo sambo-belona. Ny telo no nanohy ny diany ary tsy voasambotra. Mbola nisy saron-tava hita teny amin’ireo jiolahy. Azo heverina, fa nikasa ny hanafika teo Mahavatse na teo amin’ny manodidina azy izy ireo no io tra-tehaka io ny teti-dratsy.
D.R