- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha fanolanana zazalahy teto Toamasina : Mangataka fanamafisam-pitiliana ny fitsarana

Raharaha fanolanana zazalahy teto Toamasina : Mangataka fanamafisam-pitiliana ny fitsarana

Lasa resa-be eo anivon’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana maro eto Toamasina ilay raharaha fanolanana tovolahy roa zanaka mpandraharaha ny fonja, ity zazalahy 12 taona nitranga teto Toamasina nanomboka ny 20 may hatramin’ny 17 jona niakatra fitsarana ny talata 02 jolay ity. Na ny fitsarana aza sanganehana misahana ny raharaha, satria sarotra ny zava-misy, ka nangataka ny fanamafisam-pitiliana an’ilay zazalahy 12 taona indray, na efa ny ivontoerana Vonjy izay napetraky ny UNICEF sy ny fanjakana malagasy eto amintsika misahana ny raharaha fanolanana aza no nanao ny fizahana sy ny tatitra ary isan’ny nanamafy ny fitoriana tamin’izao raharaha izao. Misafotofoto ny raharaha amin’izao noho ilay zazalahy 12 taona efa voa mafy sy simba tanteraka rehefa nozahan’ny mpitsabom-panjakana roa be izao, indray no voalaza fa tompo-marika tamin’ny nanjo azy. Miezaka ny miaro tena mafy amin’ny nataon’ny zanany koa ny fianakavian’ireo tovolahy mpanolana. Ny lalana anefa mazava fa tsy misy vehivavy sy lehilahy ny heloka amin’ny fanolanana, fa izay mpanolana dia mizaka ny saziny. Ny resaka fanolanana rahateo, nandritra ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina amin’ny politika ara-keloka hitantanany ny fitsarana, dia isan’ny tafiditra amin’ny heloka tsy azo ekana sy mahatonga famonjana vonjimaika avy hatrany. Ho hita eo indray izany izay fanamarinam-pitiliana nangatahan’ny mpitsara misahana ny raharaha amin’ny tohin’ny raharaha, na efa namoaka ny azy aza ireo mpitsabo manokan’ny ivontoerana Vonjy. Ho an’ny fianakavian’ny voaolana kosa, tsy ny fanagadrana na ny fanasaziana ireto tovolahy roa ireto no tanjona, fa ny fandraisan’ny fitsarana ny andraikiny mba tsy hisy indray zanak’olona hafa ho tratra, fa ny anay efa voa dia miady hatramin’ny farany izahay, hoy ny renin’ity tovolahy 12 taona ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici