Nijolofotra ny setroka. Nanakatra ny lanitra ny lelafo. Trano lehibe iray no tsy nisy noraisina intsony vokatry ny afo mpandrava tetsy Anosizato Atsinanana faharoa, omaly antoandro.
Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra saingy tao anatin’ny minitra vitsy monja dia nanjavona zary lasa lavenona ny fananana nohariana an-taonany maro. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo no nitranga ny loza, araka ny angom-baovao azo teny an-toerana. Hatairana avokoa ny an’ireo manodidina raha nahita ilay setroka mainty nanamatroka vetivety teo ny lanitra, niainga avy tao amin’ny trano lehibe misy rihana iray tsy lavitra loatra ny foiben-toeran’ny fahitalavitra tsy miankina iray eny Anosizato. Narahina lelafo nijoalajoala izany nony avy eo. Nikoropaka avokoa ireo nanatri-maso. Tao ireo niezaka niantso mpamonjy voina, tao koa ireo niezaka nanondraka rano ilay trano may. Ny hafa moa, indrindra ireo mpifanolo-bodirindrina tamin’izany trano nirehitra izany dia samy niezaka namoaka sy namonjy ny entany. Vetivety ihany dia tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina niaraka tamin’ny fiarabe mpamono afo. Vetivety ihany ny nifehezan’izy ny firehetana tsy hitatra ary tao anatin’ny minitra maromaro dia maty tanteraka ny afo. Na izany aza anefa dia ravan’ny afo tanteraka ny tao amin’ny rihana voalohany sy faharoa, raha ampahany no potika tany amin’ny farany ambany. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga izany. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia tsy nisy olona tao amin’ity trano ity tamin’io fotoana io, ary niainga tao amin’ny rihana voalohany ny afo. Heverina araka izany fa mety ho tselatr’afo vokatry ny herinaratra nifampikasoka indray no nahatonga izany, saingy mbola an-dalam-panaovana fanadihadiana moa ireo tompon’andraikitra.
m.L