Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana, ka tao anatin’ny fanarahan-dia niarahan’ny Fokonolona sy ny Zandary, dia voasambotra tao Ilakaka ny dahalo dimy sy omby efatra tamin’ireo very tany amin’ny Kaominina Andriadapy, Distrikan’i Betroka, ny 20 Jona lasa teo. Raha ny vaovao voaray, efa niaraka tamin’ny kavina vaovao sy taratasy famotsiana omby halatra ny telo tamin’ireo omby. Nisy avy hatrany moa ny fanadihadiana lalina nataon’ny Zandary amin’ny ady atao amin’ny famotsiana omby izao, ka misy patiraon’omby sy mpanao ny taratasin’omby (dahalo ambony latabatra) no voasaringotra ao anatin’ity raharaha famotsian’omby ity.
Eric Manitrisa