Nitrangan’ny halatra omby tao Tovobato, kaominina Fotadrevo, distrikan’Ampanihy. Raha vao nahazo fanairana monja ny avy ao amin’ny Tobim-paritry ny zandary tao Fotadrevo dia namonjy tany an-toerana avy hatrany, nanatanteraka ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo rahalahy avy ao amin’ny Tafika. Tsy lasa lavitra akory ireto malaso dia tra-tehaka ary raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. « Na dia mafy aza ny fifampitifirana dia tsy nihemotra ireo mpitandro filaminana », hoy ny vaovao. Vokany, nisy dahalo roa tsy afa-manao ny asa ratsiny intsony. Nisy 13 kosa no voasambotra ary tsy maintsy atolotra ny fitsaràna rehefa avy hanaovana famotorana. Niaraka tamin’ireo dia fantatra fa nisy fitaovam-piadiana, basy enina, sy karazana fanafody gasy ary fitaovana maro samihafa sarona teny amin’ireo andian-dahalo ireto. Nilaza moa ny teo anivon’ny zandary fa « raha vao tsy tara ankehitriny ny fanairana dia vetivety ahitam-bokany ny vonjitaitra sy ny fanarahan-dia ».
Tsy fahavalo akory ! « Aminay dia tsy dia fahavalo velively ny dahalo fa mpiray tanindrazana sendra mba solafaka ka mila haverina amin’ny lala-mahitsy ». Ambetin-tenin’Atoa Jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, matetika io fehezanteny io, rehefa anontaniana mahakasika ny resaka asan-dahalo sy ny vokatra azon’ny zandary izy. Fitenenana izay toy ny milaza fa tsy fahavalo tsy maintsy lavoina sy vonoina foana akory ny dahalo fa tsy maintsy misy ny fananarana manaraka ny lalàna velona atao azy ireny. Ary ambonin’izany dia ny « vonjitaitra sy fiarovana ataon’ny mpitandro filaminana dia tsy maintsy atao manaraka ny lalàna velona manankery sy mitandro ny zon’olombelona ». Na izany aza anefa, rehefa ao anaty fifandonana, indrindra fa misy ny fifampitifirana dia miezaka hatrany izy ireo hahavitsy tanteraka ny isan’ireo olon-dratsy lavo, na dia tsy mikendry loatra izany aza ireo ankilany mpifandrina amin’izy ireo.
m.L