- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMpamily « wanted » : Nampiasa karapanondro sandoka ilay mpangalatra

Mpamily « wanted » : Nampiasa karapanondro sandoka ilay mpangalatra

Hatreto dia mbola tsy hita ilay fiaran’ny orinasa nisy nangalatra tetsy Talatamaty ny alakamisy lasa teo. Fantatra kosa hatreto fa tsy ilay olona voatonona sy voalaza tamin’ny lahatsoratra nivoaka ny sabotsy teo no nangalatra azy, araka ny fanazavàna nomen’ny Kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary ao Talatamaty. « Nampiasa karapanondro sandoka ilay mpamily nitondra io fiara io », hoy fanazavàna. Olona madio sy ara-dalàna tanteraka araka izany ity olona voalaza tamin’ilay taratasy fampikarohana navoakan’ny zandary. « Efa tonga teto aminay io olona io, hoy hatrany ity Tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny tobim-paritry ny zandary eny an-toerana ity, ary efa nalaina am-bavany sy natao fanadihadiana rahateo izy ». Tamin’izany no nahalalàna fa « efa very efa ela ny karapanondrony ». Izany hoe, ny karapanondro very an’ity lehilahy voalaza tamin’ilay taratasy fampikarohana ity no nampiasain’ilay olon-dratsy nidirana sy nitadiavana asa tao amin’ilay orinasa tetsy Talatamaty. Azo heverina fa tetika efa voaomana mihitsy ny an’ilay olon-dratsy, ny hangalatra ilay fiara. Tsy nahalala izany moa ireo mpanao fanadihadiana sy ny tompon’ny orinasa fa dia ilay karapanondro sandoka iny no noheverina ho an’ilay mpangalatra fiara, ka dia izay no nandrafetana ilay taratasy fampikarohana. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana ity fiara ity sy ilay mpangalatra, ka manentana ny rehetra hatrany, izay manam-baovao mba ho hiantso ny zandary avy hatrany. Marihana fa « 4×4 » marika « Santafe » ary mitondra ny laharana 2884 AF, miloko volondavenona ilay fiara.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici