- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena Toamasina : Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ireo talem-paritra telo

Polisim-pirenena Toamasina : Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ireo talem-paritra telo

Sambany teto Toamasina no natao ara-pomba miaramila ny fametrahana ireo talem-paritry ny polisy telo lahy hisahana ny faritra telo, atsinanana – Alaotra-Mangoro – ary Analanjirofo. Teo amin’ny araben’ny fahaleovantena no nanaovana izany omaly zoma misadratra andro, izay natrehan’ny minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena nitarika ny fametrahana ireo talem-paritra telo lahy.

Manomboka izao izany dia manana ny talem-paritry ny polisim-pirenena ny ao Analanjirofo raha ny talem-paritra teto Atsinanana no nisahana izany teo aloha, ka ny Jly Rasolofonirina Lerika Liva Stéphan no mihazona izany. Tsy niova kosa ireo talem-paritra ho an’ny faritra Atsinanana, dia ny Jly Ramampandry Nicolas, sy ny faritra Alaotra-Mangoro, ny Jly Rambenilaosana. Amin’ny maha-lanonana ara-miamila azy dia nofaranana tamin’ny matso nataon’ireo sampan’ny polisy misy isam-paritra ny lanonana omaly maraina. Natao ny fanasarahana ny talem-paritra toy izao ho fanatsarana ny lafiny filaminam-bahoaka, satria mavesatra loatra ary mifanalavitra be ny tale provinsialy teo aloha, hoy ny polisim-pirenena. Hanatsara ny fisahanana ny filaminam-bahoaka ny fanasarahana azy toy izao.

Taorian’ny fametrahana ireo tale telo lahy hisahana ireo talem-paritra telo eto Toamasina, dia nisy koa ny fitokanana ny birao fiasana vaovaon’ny FIP Toamasina eny Tanambao Verrerie. Fanomezana nomen’olona tsara sitra-po ny tany saingy ny polisy kosa no nitady famatsiam-bola tamin’ny fanamboarana ny trano. Efa nanomboka ny taona lasa ny fanamboarana saingy izao vao vita izany trano ho an’ny FIP Toamasina izany. Fametrahana ny filaminam-bahoaka ny antony, satria isan’ny toerana fieran’ireo andian-jiolahy ny fokontany manodidina Tanambao Verrerie rehetra iny, izay efa voasokajy ho faritra mena mihitsy.

Nisy koa ny fizarana ireo fiara manokan’ny polisy avy amin’ny fanjakana nandritra izao lanonana ny zoma teo izao, ka samy nahazo ny azy avokoa ireo kaomisaria eto Toamasina, ireo talem-paritra telo eto Toamasina, ary ireo mpanao ny fanenjehana ny andian-jiolahy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici