Efa tsy mifidy intsony ireo olon-dratsy amin’izao, ka na trano fivavahana aza dia ataon’ireo tontakely lasibatra. Toy ny nataon’ity tovolahy iray, voasambotry ny pôlisy teny amin’iny faritra Andavamamba iny tamin’iny herinandro iny. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa mpamaky trano hikoizana mihitsy ity tovolahy ity miaraka amin’ny namany. Tamin’io fotoana io dia olona mipetraka tsy lavitra trano fivavahana iray no nahamarika tovolahy iray mampiahiahy teo akaikin’izany trano izany. Tsy vitan’ny nampiahiahy fotsiny moa fa voalaza fa hoe tena teo am-pamakiana ilay fiangonana mihitsy io olon-dratsy io. Nampandre avy hatrany ny pôlisy moa io olona io. Fa ankilan’izany ihany koa, tamin’io andro io ihany dia naharay fitarainana hafa ny pôlisy mahakasika vaky trano hafa teny amin’iny faritra Anosibe iny. Entana sarobidy maromaro no lasan’ireo olon-dratsy. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana ary niroso tamin’ny fikarohana ireo tontakely. « Rehefa nanao ny fisafoana sy ny fanagonam-baovao dia tra-tehaka tehaka teny Andavamamba ny lehilahy iray izay anisan’ny tompon’antoka tamin’ny vaky trano » hoy ny fampitam-baovao azo. Marihana fa mbola misy namany hafa karohina fatratra amin’izao hoy ny avy eo anivon’ny pôlisy. Fikarohana izay inoana fa tsy ho ela dia hitondra vokatra ka afaka hiaina milamina amin’ireo mponina eny amin’iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny amin’ny resaka vaky trano.
m.L