- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Trano telo indray alina nisy nanafika tao...

Tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Trano telo indray alina nisy nanafika tao Depôt Analakininina

Efa manao ny ezaka rehetra amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka ny mpitandro filaminana izao, saingy fetsy tahaka azy ireo koa ny jiolahy ka mahita hirika hatrany amin’ny asa ratsin’izy ireo. Ny faran’ny herinandro teo araka ny angom-baovao natao, dia tokantrano telo samihafa tao amin’ny fokontany Depôt Analakininina no nisy nanafika sy namaky indray alina monja. Nitondra antsy, sabatra, basy ireo jiolahy mpanafika nandritra izany. Ny tranga voalohany dia niseho tokony ho tamin’ny 08ora alina io zoma lasa teo io, ka efa nandrasan’ireo jiolahy ny fisokafan’ny vavahady be nidirana fiara no niditra ihany koa izy nandritra izany. Tsy tapitra izay, fa vao nivoaka tao anaty fiara ilay tompon-trano dia efa antsy sy sabatra ary basy no niandry azy. Lasa tamin’izany ny finday rehetra tao an-trano, ny vola tahiry ary ireo entana azon’ireo jiolahy nobataina. Raha nahita, fa basy kilalao ny teny an-tànan’ireo jiolahy ny tompon-trano dia niezaka nanohitra ka raikitra ny ady saritaka. Vaky loha sy naratra ny iray tamin’ireo jiolahy nefa tafatsoaka ihany izy ireo taorian’ilay ady saritaka tamin’ny fanoheran’ilay tompon-trano. Niezaka ny nanara-dia ireto jiolahy ireto ihany ny fokonolona sy ny tompon-trano, saingy efa tsy hita ny nitsoahan’izy ireo tao anatin’ny haizin’ny alina, ny fokontany maizin-kitroka noho tsy fisian’ny jiro amin’ireo andrin-jiron’ny jirama.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici