Tambajotra iray matanjaka mihitsy ny resaka halatr’omby. Efa iarahan’ny rehetra mahalala izany ! Tsy mijanona fotsiny ihany amin’ireo dahalo mpanafika sy mpangalatr’omby, fa mbola mitohy hatrany amin’ireo dahalo ambony latabatra ; izay mpanadio ireo omby halatra amin’ny alalan’ny taratasy famotsiana izany. Fantatra ary izao, araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary, fa misy tompon’andraikitra voarohirohy sy voasaringotra amin’izany raharaha izany, hanaovana fanadihadiana amin’izao.
Raha ny loharanom-baovao hatrany, dia niainga tamina fahatraran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andriadampy, distrika Betroka, dahalo dimy lahy ny raharaha. Tsy fanafihana akory no nitranga teto fa nalain’ireo olon-dratsy moramora tao am-bala ny omby. Niantso vonjy avy hatrany tamin’ny zandary ireo fokonolona ka nanomboka teo ny fanarahan-dia. Tsy ela dia hita ny omby ary tra-tehaka ireo dahalo. Natao ny famotorana azy ireo ary dia natolotra ny Fampanoavana taorian’izay. Raha ny voalaza hatrany, tamin’ny fotoana nahatrarana ireto olon-dratsy ireto dia nahitàna taratasin’ omby efa vonona tany amin’izy ireo. Mazava ho azy fa antonta-taratasy nokasaina hanadiovana ireo omby halatra ; izay vao avy nangalarina. Misy sonia sy fitomboka tompon’andraikitra ambony ireo antonta-taratasy ka nahafahan’ny teo anivon’ny zandary nilaza fa voasaringotra amin’izany tranga izany ireo na ilay tompon’andraikitra. Tsy mbola nisy aloha hatreto fisamborana, hoy ny vaovao noho ilay/ireo olona voalaza, tsy eo amin’ny fari-piadidian’ny zandary any Betroka. Na izany aza efa mandeha ny fanadihadiana lalina sy ny fangatahana fahazoan-dalana.
m.L