- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversRN42 : Kamiao latsaka tany ambany tetezana : olona efatra maty, Gineana...

RN42 : Kamiao latsaka tany ambany tetezana : olona efatra maty, Gineana iray ary Malagasy telo

Nandriaka indray  ny rà tamin’ny lalam-pirenena. Kamiao mpitati-bokatra nitondra olona valo sy vary an-taoniny maro, avy any amin’iny distrikan’Ikalamavony iny no niharan-doza. Vokany, olona efatra no maty tsy tra-drano, efatra hafa kosa naratra mafy ary nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana.

Tamin’iny lalam-pirenena faha-42, mampitohy an’Ikamavony sy Fianarantsoa no nitranga ny loza, teo amin’ny PK75, miala an’i Fianarantsoa. Teo amin’ny tetezana iray eo Akidondava, kaominina Mangidy, distrikan’Ikalamavony. Avy naka vokatra tany an-toerana ity fiarabe ity. Vary amin’ny taonina maro, araka ny fampitam-baovao azo, ary handeha hitodi-doha any Fianarantsoa. « Efa mpivezivezy aty io fiarabe io ary efa mpandeha amin’ilay tetezana, izay marihana fa somary tery » hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny zandary tany an-toerana. Tamin’io fotoana io anefa, mety ho azo heverina fa efa sendra ny loza ho avy ny mpamily sy ireo olona fito, tompon’entana tao anatin’ilay fiarabe. Diso fipetraka tamin’ilay tetezana mantsy ny kodiarana aoriana ka nahazo sisiny sy latsaka avy eo. Ary nitarika ny vataben’ilay kamiao, ho any ambany tetezana. Potika tanteraka ity fiara ity. Olona efatra kosa no namoy ny ainy avy hatrany, ka anisan’izany ny teratany afrikana iray, mizaka ny zom-pirenena Gineana. Ny mpamilin’ilay fiarabe ihany koa dia potsitra tao anaty korontam-by ary voatery nosokirin’ireo fokonolona mihitsy vao azo ny razana. Ireo ambiny kosa dia samy voa mafy avokoa ary nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana tany an-toerana. Nisy mihitsy aza ireo tsy maintsy nampiakarina tany Fianarantsoa noho ny ratra mafy nahazo azy. Nifanampy tamin’ireo fokonolona tany an-toerana moa ny zandary misahana iny faritra iny, ary nanampy betsaka tamin’ny fitondràna ireo naratra namonjy hôpitaly. « Manokatra ny fanadihadiana izahay saingy mety ho sarotsarotra ihany, satria ny mpamily izay nahafantatra tsara ny zava-nisy dia isan’ireo namoy ny ainy », hoy ny tompon’andraikitry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritr’Ikalamavony, izay isan’ireo tonga teny an-toerana niaraka tamin’ireo miaramilany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici