- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsinjoarivo : Raikitra ny tifitra teo am-pivoriana

Tsinjoarivo : Raikitra ny tifitra teo am-pivoriana

Teo am-piketrehana sy am-panomanana fanafihana ireo jiolahy no tonga tampoka ny zandary. Ireo farany izay nahazo vaovao momba ny fisian’ny andian-jiolahy izay mivory ao amin’ny trano iray ao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohidahy, Tsinjoarivo. Raikitra avy hatrany ny fanaovana tifi-danitra. Nirifitra nitsoaka avokoa ireo jiolahy vao naheno izany. Teo no tsy maintsy nampiasa hery ny zandary izay nitifitra. Iray no voan’ny bala ary tsy afaka nanohy ny diany intsony. Tsy iza fa ny tompon’ilay trano izay nanatontosana ny fivoriana izany. Nosamborina avy hatrany ary narahina fisavàna ny tranony ny nataon’ny zandary voalohany indrindra. Nisy basy tokoa tao, basy vita gasy izay saika hampiasaina amin’ny fanafihana, raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Notsaboina ilay lehilahy no sady nanokafana fanadihadiana avy hatrany koa. Ny harivan’ny zoma teo, manodidina ny tamin’ny enina ora sy sasany no nitranga ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici