- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-Divers Ivato : Famin-drampahefana roa sosona

Ivato : Famin-drampahefana roa sosona

Ny zoma maraina teo no natao teny amin’ny Sekoly Fampiofanana Ambony, an’ny Polisy(ENSP), Ivato, ny famindram-pahefana teo amin’ny, tale jeneralin’ny polisy, ny Controleur Général Rakotondratsimba Désiré, sy ny Talé jeneraly vaovao, ny Controleur Général Andriamampionona Jean Rolland, sy ny fitantanana ny sekoly, ny Controleur Général Rakotondravao Albert sy ny Talé vaovao Tafeno Rolly Aimé.

Tonga nanotrona izany teny an-toerana ny Filoham-pirenena Malagasy sy ny Praiminisitra, ny minisitry ny filaminana anatiny, ny minisitry ny fiarovana, ny Sekreteram-Panjakana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Anisan’ny nivoitra tamin’ireo kabary nifandimbiasana ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana sy ny famerenana ny hasin’ny polisy eto Madagasikara, ary nasongadin’ireo olom-boatendry vaovao ny fanohizana ny ezaka efa vitan’ny teo aloha.

Anisany notsipihin’ny Filoham-pirenena tamin’izany ary ny famindram-pahefana sy ny fifandimbiasan-toerana dia mariky ny demokrasia ary isaorana ireo nahavita be tao anatin’ny dimy taona nitantanany, izay tao anatin’ny krizy. Ka iandrandran’ny vahoaka sy iaraha-miasa amin’ny polisy mba ho fandriampahaleman’ny ety an-tanàn-dehibe. Matetika mantsy dia ny vahoaka eny anivon’ny fiaraha-monina ihany no mahita ny misy ireo olon-dratsy eny an-tanàna ka afaka manome vaovao ireo manam-pahefana akaiky azy. Nisy moa ny matso natao teo amin’ny tokotaniben’ny ENSP teny Ivato, ary naseho teny an-toerana koa ireo moto sy fiara Nissan4x4 miisa 5 nomena ny polisy farany teo. Nofaranana tamin’ny fialana hetaheta teny amin’ny CCI Ivato moa ny lanonana avy eo.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser