- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversRN44 : Lozam-pifamoivoizana roa samy hafa amin’ny toerana iray

RN44 : Lozam-pifamoivoizana roa samy hafa amin’ny toerana iray

Teo amin’ ny fokontany Amboanjo, ao anatin’ ny kaominina Morarano gara, tao anatin’ ny herinandro dia olona roa no niharan- doza. Maty tsy tra- drano ny iray izay raim- pianakavina avy nanatitra ny vadiny tsy salama tao amin’ ny hopitalin’ Amboanjo. Taorian’ ny fandevenana ity raim- pianakavina ity ny zoma 12 jolay 2019 lasa teo tokony ho tamin ‘ ny iray ora dia teo amin’ ny toerana nisian’ ny loza ihany no nianjeran’ ilay raim-pianakavina iray hafa ka tapaka ny taolan- damosina,mbola manaraka fitsaboana akaiky amin’ izao fotoana izao. Raha ny nambaran’ ireo mponina manodidina dia mahagaga hatrany ny fomba fisehon’ ny loza eo amin’ ity toerana ity. Raha ny nambaran’ ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-44 nefa dia matetika ny tsy fahazarana eo amin’ ity fiolahana ity no mahatonga ny loza. Mari-pamantarana sy ny fanajana azy ireny no vahaolana tsara raha ho azy ireo.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici