- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilÀ lireAmbohimanga Rova: 12 lahy mirongo kalach nandroba 75 tapitrisa

Ambohimanga Rova: 12 lahy mirongo kalach nandroba 75 tapitrisa

Nitrangana fanafihana in-droa nisesy tany amin’iny faritr’Ambohimanga sy Ambohibao iny afak’omaly alina. Andian-jiolahy mirongo kalach sy P.A ary misy manao fanamiana miaramila no nanafika tokantrano iray sy akany fitaizana zaza sembana. Raha ny teny Ambohimanga dia vola 50 tapitrisa no lasan’ireo olon-dratsy. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nanapoaka basy mba handrahonana ny tompon-trano. Nifindra teny Morondava – Ambohibao indray izy ireo avy eo ka nanafika akany fitaizana zaza sembana. Nihanika tamboho ry zalahy ka rehefa tafiditra dia nandroba vola 25 tapitrisa. Tsy naharitra ela fa vao nahazo izay notadiaviny dia nandositra avy hatrany. Tsy nahatratra azy ireo intsony ny mpitandro filaminana tonga teny an-toerana.

Aina R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser