Namono olona indray iny lalam-pirenena voalohany iny, tetsy Ampitatafika, ny alin’ny talata teo. Sarety tariti-tanana iray no nodomin’ny fiara teny an-toerana. Vokany, olona roa no namoy ny ainy teo ho eo, roa telo naratra mafy.
Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any, ny talata teo, no nitranga ny loza. Sarety mpitaona tany no voafaokan’ny fiara «Mazda », mpitondra entna, teo amin’ny PK10+600, teo amin’ny toerana antsoina hoe Tranovy, fokontany Malaza, Ampitatafika. Raha ny fanazavàna azo dia toa hoe somary maizina ny lalana ary tsy hitan’ilay fiara mihitsy ity sarety ity teo alohany. Nandeha mafy ihany koa ity fiara ity tamin’io fotoana io ary voafaoka niaraka tamin’ireo olona mpitarika sy mpanosika ilay sarety. Mafy dia mafy ny fifandonana satria samy nipitika lavitra avokoa ireo olona dimy teo amin’ilay sarety. Ny roa moa, ilay mpitarika sy ilay nanosika avy ato aorina no maty tsy tra-trano tao anatin’izany. Naratra mafy kosa ny olona telo ambiny tety amin’ny sisin’ny sarety : tao ireo tapa-tongotra, ny voadona mafy tamin’ny lohany. Ity farany dia voalaza fa tsy mbola nahatsiaro tena hatramin’ny ora nanoratanay omaly hariva, ary mety atahorana mafy ny ainy. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy ary niara-nisalahy tamin’ny famonjena haingana ireo naratra, izay nentina avy hatrany tetsy amin’ny hôpitaly Hjra. Ilay mpamily kosa dia nentina nihazo ny biraon’ny zandary natao andrimaso sy nanaovana famotorana. Ilay fiara nahavanon-doza kosa tetsy andanin’izay dia nogiazana aloha hiandrasana ny fanadihadiana.
m.L