Hatairaina ny an’ny fianakaviany sy ny mponina manodidina ary ireo mpandalo nahita ity tovolahy maty tao an-tranony,satria tsy teo aminy intsony ny filahiany, ary nivoaka ranon-javatra fotsifotsy ny vavany. Avy hatrany dia nandeha ny feo fa manomboka mitranga eto Toamasina indray ny halatra taova ka isan’izany ny filahiana. Raha ny fanazavana azo tamin’ny angom-baovao natao dia mbola niasa tao amin’ny « cyber » ao Tanambao I izay misy ny trano fonenany tantanany ity tovolahy ity ny talata hariva. Ny takariva anefa dia tao an-tranony niaraka tamin’ny namany izy ary mbola nivoaka nirevy raha tonga ny alina niaraka tamin’io namany io. Tsy nisy nahita sy nahare kosa ny fiverenan’izy ireo tao an-trano na izy irery no nody, na mbola niaraka tamin’ity namany ity nandry tao aminy. Ny maraina no gaga ny mponina manodidina fa tsy mety misokatra ilay « cyber » ka ity mpanjifa iray no nandondona azy tao an-trano. Teo anefa dia gaga ity mpanjifa ity fa tsy nihidy ny varavarany ka avy hatrany dia niditra, saingy olona efa nivalampatra teo ambony fandriana maty misarotra bodofotsy no hitany. Raha tonga ny mpitsabo misahana ny fahadiovana eo anivon’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny boriborintany voalohany, dia tovolahy maty tsy nisy filahiana intsony no hita, izay nambaran’ny BMH ao amin’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana, fa vono olona sy halatra taova no nisy nandritra izany. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny polisy misahana ny heloka be vava, nitory olon-tsy fantatra ihany koa ny fianakavian’ity tovolahy maty ity raha ny fanazavana azo.
Malala Didier