Isan’ny fahoriana iainan’ny vahoaka eto Toamasina tato ho ato izay ny resaka vaky trano sy fanafihana anaty trano fonenana. Nisy noho izany ny fivoriana maika nataon’ny OMC sy ny EMMO atsinanana nandinika ny paikady entina hanalafehana izany, ka efa samy mandray sy mametraka ny paikadiny avy ireo mpitandro ny filaminana, ahitana ny polisy – ny zandary – ary ny tafika malagasy. Ho an’ny polisy anefa dia efa nisy ny vokatra azon’izy ireo momba izay resaka andian-jiolahy mpanao famakiana trano izay, tamin’ny fahasamborana ireto bandy telo lahy isan’ny mpanao izany ao Ambolomadinika sy Mangarivotra. Mbola ifampitadiavana kosa ny naman’izy ireo sy ilay mpitahiry sy mpividy ny halatra ankehitriny, hoy ny polisy. Nandritra ny fahatrarana azy ireo dia tratra tany amin’izy ireo ny Camera – ny solosaina – ary ireo kojakoja avy nangalarin’izy ireo. Ho an’ny zandary sy ny tafika miaraka koa izay nilaza fa manao hetsika tsy an-kitsitsy amin’izao fametrahana filaminam-bahoaka eto Toamasina izao, dia nanetsika ny olombelony sy ny fitaovany rehetra izy ireo hapetraka amin’ireo fokontany sy kihon-dalana rehetra amin’ireo faritra sy fokontany voasokajy ho mena eto Toamasina. Tsy hijanona ny hetsika ataon’izy ireo raha tsy misy ny vokatra momba ny filaminam-bahoaka, hoy ny komandan’ny vondrompileovan’ny zandary Atsinanana. Anio alatsinainy aza dia hisy ny fihaonan’ny zandary amin’ireo olona tsara sitra-po isaky ny fokontany, amin’ny fanomezam-baovao azy ireo momba ireo olon-dratsy manao izao andian-jiolahy mandeha am-polony, « bande de 15 », sady mangalatra no mitondra basy mampahory vahoaka izao. Ankoatra izany anefa dia mangataka ny hamerenana ireo « saka mainty » handamina an’i Toamasina ny ankamaroan’ny vahoaka, satria ireo andiana polisin’ny « saka mainty » ireo ihany no tena mampilamina an’i Toamasina hoy ny vahoaka.
Malala Didier