- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimailala : Nokaramaina 10 tapitrisa ariary hamono olona

Ambohimailala : Nokaramaina 10 tapitrisa ariary hamono olona

Nikasa ny hamono ny vinantony ary efa nanakarama olona mihitsy ka nanome vola ireo olona telo, rafozana mivady sy zaodahy. Folo tapitrisa ariary no nifanarahana ary efa nisy ny vola “avance” naloa. Teny Soamanandrariny no natao ny fifanarahana sy ny fanomezana ny vola. Ny olana anefa dia tsy nanatontosa an’izany ilay tokony hamono fa niresaka tamin’ny olona tokony hovonoiny kosa. Teo ary dia nifanaraka izy roa fa hentina eny Ambohimailala ilay lehilahy ary mody mitsotra, toa ny maty, eo amin’ilay toerana. Toerana izay efa malaza ho fanarian’ny mpamono olona razana. Nantsoina nony avy eo izy telo mianaka ary nasaina nijery ny “faty”. Vao nahita avy lavitra fotsiny izy ireo dia efa resy lahatra ary niverina sendra misy mahita. Nipetraka ny fitoriana teny anivon’ny pôlisy ary tsy ela taorian’izay dia nosamborina ireo olona. Raha ny fantatra dia iray tapitrisa ariary aloha no natao “avance”. Nofenoina kosa ny vola rehefa nahita ny “razana” izy ireo. Raha ny filazan’ny pôlisy dia niaiky ny heloka vitany ireo olona. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny asabotsy teo. Fantatra koa fa resaka fialonana amin’ny varotra “friperie” no anton’ity fikasana hamono ity. Samy mpivarotra mantsy ireo olona ary ny an’ny iray dia miroborobo noho ny an-drafozany. Teo amin’izay no nitsiry ny hevi-dratsy, faran’izay ratsy…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser