- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversDelestazy nandritra ny “Mondial” : Rotaka tao Vatomandry, tezitra ny olona tao...

Delestazy nandritra ny “Mondial” : Rotaka tao Vatomandry, tezitra ny olona tao Midongy-Atsimo

Tezitra ny olona ary nirohotra nankeny amin’ny biraon’ny Jirama tao Vatomandry. Ny antony, mazava loatra dia ny, fahatapahan’ny jiro tao anatin’ny lalao farantampon’ny kitra dia ny “mondial” izany. Tsy afaka nijery mivantana na ny lanonana fanokafana na koa ny lalao voalohany izay nihaonan’i Brésil sy Croatie ny vahoaka tao an-toerana ary izany no isan’ny tena nahatonga ny fahasorenana. Vetivety foana dia efa tafavory ny olona tao an-tanàna izay tombanan’ny loharanom-baovaonay any an-toerana ho 700 mahery. Nifamotoana izy ireo ary nizotra teny amin’ny Jirama. Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany, ny alin’ny zoma teo no nitrangan’izany rehetra izany. Nirongo vy sy hazo ary vato ny ankamaroan’ireo olona marobe. Niatrana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana raha vao nandre ny zavanisy. Nisy ny fihaonana teo amin’ny roa tonga ary raha noheverina hilamina rehefa avy eo, rehefa nanaiky ny namonjy ny fodiany ny olona, dia tsy izany velively no niseho. Nisy poa-basy nirefotra ka nitarika ny fifanjevoana. Raha ny fantatra dia olona telo no voasambotra tao anatin’ny haizina, izay tsy nisy afa-tsy ny hazavan’ny diavolana no mba nanazava kely tao Vatomandry. Mainka koa niaka-pofona ny sasany ary tonga hatramin’ny fanimbana ny sainam-pirenena izay nipetraka teo anoloan’ny Jirama. Ny alin’iny ihany dia efa navotsotra ireo voasambotra raha araka ny fanazavana azo. Fantatra fa hisy ny fanafarana milina avy any Mananara avaratra mba handravonana ity fahatapahan-jiro ity. Izany anefa dia mbola tsy ho ao anatin’ny herinandro, raha araka ny vaovao nampitaina taminay. Nanaiky ihany ny olona ny nody, saingy nanaiky tsy fidiny. Sady maizina ny tanàna no tsy afaka mba nijery ny “mondial”, lalao izay arahin’ny olona be indrindra eran-tany. Mampikaikaika ny maro hatrany ity resaka Jirama ity, satria ankoatra ny vidin-jiro sy rano izay tsy mazava mihitsy ny fomba fanaovany kajikajy dia toa manao izay tiany koa ity orinasa ity. Dia tena tsy noheverin’ny mpitantana tao an-toerana mihitsy ve fa hitarika hatezeram-bahoaka izany tsy fisian’ny herinaratra amin’ny andron’ny “mondial” izany? Sa nanaovana mafiloha fotsiny?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser