- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Mampiasa ody gasy sy fiara ireo mpamaky trano

Ihosy : Mampiasa ody gasy sy fiara ireo mpamaky trano

Olona miisa  6 izay voalaza fa nampihorohoro ny mponina ao an-tanànan’Ihosy, renivohitry ny faritra Ihorombe, tamin’ny resaka vaky trano no voasambotry ny polisy ny 30 jolay 2019 lasa teo.  Tsapa tokoa tato ho ato fa nirongatratra ny halatra bisikileta, sy ny vaky trano ka ny mpivarotra enta-madinika no tena lasaibatra. Ao anatin’izany dia milaza fa tsy maheno ny fahatongavan’ireo mpanafika ao aminy mihitsy ireo lasibatra raha tsy efa lasa ireo jiolahy sy  efa fongana tanteraka ny entana. Voalaza ihany koa fa mampiasa ireny fiara karetsaka kodiaran-telo na ilay antsoin’ny any an-toerana hoe Kinga ireny ireo olon-dratsy mba hitanterana ny entana nangalariny. Ireo Kinga izay maro ny tsy ara-dalàna ao Ihosy ao ka amin’ny alina no miasa. Nametraka paik’ady noho izany ny Polisy miasa any an-toerana tamin’ny fiaraha-miasa amin’ireo andromasom-pokonolona mba hamongorana izany tranga ratsy izany. Vokany : taorian’ny angom-baovao mari-pototra, ny 30 jolay 2019 dia 06 mianadahy no sarona. Samy manana ny anjara asany izy ireo, ny sasany mpamaky trano ary ny sasany kosa dia mandray sy mivarotra izany entana halatra izany. Mbola tratra tao amin’ny trano fonenan’izy ireo ny bisikileta halatra sy ireo kojakoja fampiasa anadavan’andro miaraka amin’ireo ody gasy marobe toy ny mohara sy tapa-kazo maro. Nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa izy 6 ireo rehefa nataolotra ny Fampanoavana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici