- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Hanangana “postes avancées” amin’ireo fokontany mena ny kaominina

Tsy filaminana eto Toamasina : Hanangana “postes avancées” amin’ireo fokontany mena ny kaominina

Depot Analakininina – Mangarano II – Andranomadio – Ambohijafy – Ambalakisoa – … ary Tanambao Verrerie, dia saika isan’andro dia ahenoana fitarain’ny olona hatrany fa misy vaky trano sy fanafihana. Mitondra basy mahery vaika, na basy vita gasy, ary sabatra sy antsy fohy ireo andian-jiolahy mandeha am-polony mandritra izany.

Taorian’ny fivoriana nataon’ny OMC sy ny Emmo-Sécurité atsinanana naitatra, dia fantatra izao fa anjaran’ny kaominina ny manangana “postes avancées” amin’ireo fokontany mena amin’ny tsy filaminana eto Toamasina, ka saika hananganana izany avokoa ireo toerana voatanisa ireo, ato ho ato. Anjaran’ny zandary sy ny polisy ary ny Tafika no mampihodina azy, ka andraikitry ny fitsarana ny misahana ny raharaha ara-lalana, ary anjaran’ny fonja ny mitazona azy ireny aorian’ny fisamborana sy fivoahan’ny didy.

Ankilan’izany, dia fantatra izao araka ny fanazavan’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominin’i Toamasina, izay misedra olana noho ny ady mangatsiaka misy noho ny tsy fahaiza-miasan’ny talen’ny kabinetran’ny PDS; izay angatahan’ireo mpanolotsaina hesorina, dia efa tonga ny takamoa miisa 1.500 hapetraka amin’ireo fokontany mena amin’ny tsy filaminana aloha. Ho avy tsy ho ela kosa ny takamoa 2.000 hapetraka amin’ireo andrin-jiro maromaro eto Toamasina; ho fanatsarana ny filaminam-bahoaka no antony izay fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny Jirama ny fametrahana izany.

Ankoatra izany, dia misy koa ny fandaminana eny amin’ireo tsena eto Toamasina ho fitsinjovana ireo mpiatsena amin’ny harom-paosy sy fanendahana. Ny fandaminana ny fivezivezen’ireo kalesa sy fiara vaventy mpanatitra entana izay miteraka fitohanan’ny lalana ka miteraka fitangoronana no nataon’ny kaominina. Amin’ny 03ora – 06ora ny maraina, amin’ny 12ora – 01ora ny antoandro, ary amin’ny 05ora sy sasany – 08ora ny hariva; ho -saziana sy andraisana fepetra ireo tsy manaja izany hoy, ny PDS.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici