- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMorarano-Kraoma : Ar.46 tapitrisa no efa azony, voasambotra ny mpaka an-keriny

Morarano-Kraoma : Ar.46 tapitrisa no efa azony, voasambotra ny mpaka an-keriny

Voasambotra ny mpikambana amin’ilay tambajotra izay nampikaikaika tao Alaotra. Izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny ny zaza 12 taona, ny 16 jona jiona teo, ka nahazoan’ireo jiolahy Ar. 46 tapitrisa, tao Morarano-Kraoma. Tany Anosivolakely no navotsotra ilay zaza rehefa azo ny volabe. Rehefa nohalalin’ny zandary ny raharaha, araka ny fitsirihana ny antso sy ny hafatra miafina tamin’ny findain’ireo jiolahy telo izay voasambotra voalohany ary efa nidoboka am-ponja, nivoaka teo ny anarana hoe Lemena sy Jaomainty. Tonga hatrany Ranomafana (RN2) ny fisamborana satria mivezivezy be ireo jiolahy ireo. Dimy no voasambotra ary rehefa natoro ilay zaza izy ireo dia tadidiny avy hatrany ny tarehin’ny tsirairay avy. Nivezivezy eran’i Madagasikara ireo olon-dratsy raha vao vita ny fakana an-keriny. Nisy ny tany Vatomandry, ny tany Amparafaravola sy ny toerana hafa koa. Midika izany, fa efa tena tambajotra nasionaly ity tarik’i Jaomainty sy Lemena ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici