- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBelo sur Mer : Nosamborina ireo mpaka vola amin’ny mpizaha tany

Belo sur Mer : Nosamborina ireo mpaka vola amin’ny mpizaha tany

Dimy lahy no indray nosamborina. Ny anton’izany, dia noho izy ireo izay manery ny olona mba hanome vola azy. Niainga tamin’ny fitarainan’ny mpampiasa ny lalana RN9 izay mihazo an’i Morondava- Belo sur Mer ary Manja izany. Angalana vola ny mpitatitra sy  ny mpizahatany. Tsy izany ihany aza fa hatramin’ny mpitari-dàlana dia isan’ny « voaotra » koa. Rehefa tsy izany dia tsy misokatra ny làlana. Nisesy ny fitarainana na dia efa nisy aza ny fanentanana ifotony nataon’ny OMC tamin’ny faran’ny taona 2018. Nataon’ny zandary tokoa ary ny fidinana an-tsehatra ary teo no tsikaritra fa nahatratra 27  ny toeram-panakanana tamin’iny lalam-pirenena fahasivy iny. Manodidina ny 2.000 ariary ka hatramin’ny 10.000 ariary no alain’ireo olona isaky fiara sy isaky ny sakana. Mbola namaly ihany ireo na dia efa nampahafantarina azy ireo aza ny endriky ny fandikan-dalàna izay nataony. Teo no nanapa-keveitra ny zandary ny nisambotra amin’izay ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Isan’ny manimba ny lazan’ny fizahantany eto amintsika ny toe-javatra toy izao. Tsy manan-tsafidy anefa ny vahiny, satria io no nandoavany volabe dia voatery mandoa tsy nahy. Rehefa avy eo kosa izy ireo mitabataba any anatin’ireny tambajotra amin’ny aterineto; izay misahana ny fizahantany ary manaratsy tanteraka. Isika dia mbola hatreo amin’ny 300.000 isan-taona ihany ny mpizahatany tonga mitsidika eto, ao Maorisy anefa dia efa an-tapitrisany maro. Raha tiana mba hihatsara izany, dia ny laza ratsy toy izao no tokony hiadiana voalohany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici