- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Tovolahy 606 niatrika fitsarana miaramila

Andilamena : Tovolahy 606 niatrika fitsarana miaramila

Tsy maintsy miatrika fizaham-pahasalamana ireo izay mitsara miaramila

Dingana iray lehibe tsy maintsy atrehan’ny tovolahy feno sivy ambin’ny folo 19 ka  hatramin’ny iraika ambin’ny telopolo (31) taona ny fiatrehana ny fitsarana miaramila. Ny fananana ny karatra maitso izay omena ho fanamarinana ny nahavitana izany dia vavahady hidirana amin’ireo sampan’asam-panjakana rehetra, sy ny  fikirakarana taratasy hivoahana ivelan’ny Nosy. Izay ny eo amin’ny fitsarana miaramila fa ny fanompoam-pirenena dia safidy, ka ho an’ireo  manana faniriana  te hanao ny  fanopoam-pirenena dia afaka  manantona avy hatrany ny tompon’andraikitra  mahakasika an’izany. Ny Distrikan’Andilamena no nanombohana an’izany fitsarana miaramila izany ny alakamisy faha 1 Aogositra 2019  ary nisy ihany koa  ny fanisana ireo zatovolahy feno taona  izay ho tanterahina mandritra ny roa volana. 606 no voatsara ary 673 no voaisa, nanokatra izany tany an-toerana ny Jeneraly Rasolonirina Roger Talen’ny DSNGR na Fitalenan’ny Fanompoam-pirenena sy Fiandry. Nifanindran-dalana tamin’io fotoana io ihany koa ny  asa sosialy ny fitsaboana maimaim-poana toy ny nify sy ny aty vava, ary ny didi-paotra faobe nataon’ny Ministeran’ny Fiarovam-Pirenena izay notarihin’ny Médecin General Rasamimanana  Lysias  Tale Jeneralin’ny sampan’asa miadidy ny sosialy sy ny fahasamana eo anivon’ny Tafika Malagasy.  Tanjona amin’izao hetsika ara-tsosialy ny fanakaikaizan’ny  Foloalindahy ny vahoaka mba hanamafisana ny fahatokisan’ny vahoaka azy ireo.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici