Tovolahy maromaro izy ireo, indray mirohatra miditra anaty fiara fitanteram-bahoaka. Mandrahoana amin’ny fitaovam-piadiana ary mandroba izay mpandeha tratran’izy ireo ao. Trangan-javatra izay miseho eny amin’iny faritra Andavamba mitohy mihazo an’Anosibe iny. Tsy tahotra tsy henatra moa fa dia amin’ny andro atoandro be nanahary ireto andiana mpanendaka ireto no manao ny asa ratsiny, na ilay efa somary harivariva iny. Miandry izay fotoana mahavitsy olona, ka somary miandry elaela eo amin’ny fiantsonana ireo fiara no miakatra izy ireo. Mirongo sabatra sy zava-maranitra isan-karazany izy amin’izany fotoana izany, ary miara-miditra. Voalaza fa toa hoe tsy mijanona amin’ny toerana iray ireo andiana jiolahim-boto mpanendaka ireto, tsy akory fa mifindrafindra. Ary efa mpandeha maromaro no efa lasibatr’izany, araka ny angom-baovao azo.
Anisan’ny faritra mena ary tena ikoizana tanteraka amin’ny resaka tsy fandriampahelamena tokoa raha iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny. Amin’izao moa dia anisan’ny mampirongatra tanteraka izany ny fitohananan’ny fiara ateraky ny asa fanamboaran-dalana. Tsy eny ihany fa amin’ireo toerana maro eto an-drenivohitra. Tsy mitsahatra manita-kevitra hanaovana ny asa ratsiny foana ireo tontakely, eny fa na dia eo aza ny ezaka sy paik’ady isan-karazany ataon’ireo mpitandro filaminana hiadiana amin’izany. Izany tokoa ilay hoe tsy kely lalana na rahoviana na rahoviana ny ratsy fa ny tena no mila mailo foana e !
m.L