Tsy nivoaka ny Nosy akory dia sarona avokoa ireo olona tompon’antoka tamin’ny famakiana ny fiangonana Katolika ao Sainte-Marie. Miisa telo izy ireo ary tafaverina amin’ny ambongadiny ireo entana izay nalain’ireto olon-dratsy ireto. Isan’izany ny micro, ny « table mixer » sy izay rehetra mifandraika amin’izany, satria ny fitaovana rehetra fanamafisam-peo tao am-piangonana no nobatain’ireo jiolahy. Raha ny fantatra, dia efa fanindroany no nisy namaky ity toeram-pivavahana ity saingy tamin’ny voalohany dia tsy nisy hita na ny olona na ny fitaovana. Eto Madagasikara indray dia lasa matetika ny fisian’ny halatra ao am-piangonana. Eo ihany ny halatra tena halatra, fa misy koa ireo tranga izay miendrika fanimbazimbana ny toeram-pivavahana fotsiny, toy izay nitranga tany Moramanga. Etsy andanin’izany, mbola tranga mahakasika ny fiangonana hatrany, dia efa nisy koa ny halatra lakolosim-piangonana ireny fotsiny indray. Io indray dia matetika ireo fiangonana any ambanivolo lavitra no tena manintona ireo mpangalatra lakolosy. Any rahateo no tsy mbola niova ho eletronika ny ankamaroan’ireo lakolosy izay ataon’ireo olon-dratsy lasibatra anefa. Tato anatin’ny folo taona farany izay, dia tsikaritra fa lasa lasibatra tena tian’ny mpangalatra sy ny mpanimbazimba ny fiangonana, toerana izay masina ary heverina fa omen’ny olona ny hajany ary tsy mila ambenana akory aza. Amin’izao fotoana anefa, dia toa mitsimbadika ny rasa ary lasa mila ambenana fatratra ny fiangonana. Misy aza hatramin’ny rakitra no mbola sahy nangalarina ihany kanefa dia samy eo daholo ny mpiangona.
D.R