Na mbola tsy nivoaka aza ny datin’ny fiotazana lavanilina tamin’izany, dia efa nanana lavanilina 200kg tao aminy ity rangahy antsoina hoe Jimmy Goerges ity, izay voalaza fa vidiny amin’ireo andian’olona mangalatra ny lavanilin’ireo tantsaha. Nisy nitory ny tenany noho izany ka ny 08 mai no naiditra am-ponja vonjimaika, raha tratra ambodiomby niaraka tamin’ireo lavanilina 200kgs halatra ireto niaraka tamin’ireo olona 4 hafa niara-dia taminy. Ny alakamisy 08 aogositra teo no nivoaka ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha, ka sazy am-ponja folo volana no azony tamin’ny fahatrarana azy nitondra sy nanangona lavanilina tsy mbola matoy ity. Mpandraharaha matanjaka ao Fenerivo atsinanana ity olona nenjehan’ny fitsarana ity, ary sambany tamin’ny naha-mpandraharaha azy nandika lalàna ny taom-piotazana lavanilina vao nisy izao sazy azony tamin’ny fitsarana izao. Efa lasa “maison centrale” rahateo ny fonja ao Fenerivo atsinanana hatramin’ny nahazoany fitsarana ambaratonga voalohany, ka ao amin’ny fonjaben’i Fenerivo atsinanana ihany izy no mamita ny saziny. Nilaza ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenerivo atsinanana, Rtoa Barnako Minerva, izay vao napetraka tamin’ity taona ity, fa ny fiarovana ny vahoaka sy ny osa ary ny tany tan-dalàna ankoatra ny ady amin’ny kolikoly no tanjon’izy ireo. Raha ny angom-baovao natao tany an-toerana, dia nihevitra ny hampiasa ny volany amin’ny resaka kolikoly, sy efa in-droa nangataka fahafahana vonjimaika talohan’ny fitsarana ny raharaha, ary nampiasa fanararaotam-pahefana maro ity voarohiroy talohan’ny nivoahan’ny didy; saingy tsy nahomby avokoa izany noho ny heloka maro fanaon’ity mpandraharaha lavanilina ity.
Malala Didier